Faka
Fiseho

Ny faka dia taovan' ny zavamaniry miantoka ny famaharany zavamaniry sy ny fidiran' ny rano sy ny otrikaina ao amin' ny vatan' ny zavamaniry, izay ahafahany mitombo avo sy haingana kokoa. Matetika izy ireo dia hita mitombo ao ambanin' ny tany, na eo ambonin' ny tany na eny ambonin' ny rano.