close
Hankany amin'ny vontoatiny

Goaika

Avy amin'i Wikipedia
Image
Goaika

Ny goaika, izay atao amin' ny anarana ara-tsiansa hoe Corvus albus (na Corvus scapulatus teo aloha) dia karazam-borona afrikana miely patrana, ao amin' ny fianakaviana Corvidae. Ny goaika dia afaka mifanambady amin' ny goaika sômaliana (Corvus edithae) izay mihaona aminy ao amin' ny Tandrok' i Afrika ny sisin-taniny. Amin' ny teny malgasy izy io dia atao hoe gaga, goaga, goaka, goake, na goaky koa. Ny volon' ny goaika dia mainty, fa eo amin' ny tendany kosa dia misy fotsy mihodidina toa fehivozona mivekatra mankany amin' ny tratrany sy ny kibony.

Image
Faritra ahitana ny goaika

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]