close
Hankany amin'ny vontoatiny

Lokanga

Avy amin'i Wikipedia
Ny lokanga lalaovin' ny tarika Vilon' Androy

Ny lokanga dia zavamaneno fahita eto Madagasikara, misy tadiny miisa telo ka hatramin' ny fito. Ditin-kazo no ahosotra ireo tadiny ireo. Ny fikasohana dia vita amin' ny tsiraka taretra na tsiraka hodi-kazo toy ny lombiry na vihana[1]. Ny foko Bara no niavian' ny lokanga. Mampiasa azy amin' ny fanamasahana ny fombafomba ara-pivavahana ny Bara, fa ny Merina kosa mampiasa azy hanarahana ny fampisehoana hiragasy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Lokanga", Rakibolana sy Rakipahalalana malagasy