Voaloboka

Ny voaloboka dia voankazo avy amin' ny karazan-javamaniry mianika (vahy) ao amin' ny vondron-karazana Vitis ao amin' ny fianakaviana Vitaceae. Io voankazo io dia azo hanina tsotra izao (rehefa masaka), na anaovana divay na ranom-boaloboka. Maro ny mety ho lokon' ny voaloboka masaka: mena, fotsy, maitso, na volomparasy. Ankehitriny dia mety sy misy voany. Ny hazom-boaloboka maniry dia indraindray heverina fa ahi-dratsy, satria manakona ny zavamaniry hafa ny fitomboany.
Mpamokatra voaloboka
[hanova | hanova ny fango]Araka ny Food and Agriculture Organization (FAO) dia 7,6 tapitrisa hektara no tany ampiasaina amin' ny fambolena voaloboka eran' izao tontolo izao. 71 % amin' ny voaloboka no ampiasaina amin' ny fanaovana divay. 27% no hanina tsotra, ary 2 % no hanina maina. Misy ihany koa ny ampahan' ny vokatra voaloboka ampiasaina amin' ny fanaovana ranom-boaloboka izay ampiasaina amin' ny fanamamiana ny voankazo izay "tsy ampiasana siramamy", na "voanjanahary 100 %". Mitombo roa isan-jato isan-taona ny velaran-tany natokana ho an' ny fambolena voaloboka fanaovana divay (Vitis vinifera).
Eo ambany ny lisitry ny firenena mamokatra divay manokana velaran-tany betsaka indrindra
Voaloboka fotsy
[hanova | hanova ny fango]Azo avy amin' ny voaloboka mainty tamin' ny alalan' ny fivoarana ny voaloboka fotsy. Nampijanona ny fanamboarana antôsianinina ny fiovana tanaty fototarazo roa. Ny antôsianinina no mahamaitso ny voaloboka.[1]
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Walker AR, Lee E, Bogs J, McDavid DA, Thomas MR, Robinson SP (2007). "White grapes arose through the mutation of two similar and adjacent regulatory genes". Plant J 49 (5): 772–85. PMID 17316172 .
