close
Hankany amin'ny vontoatiny

Tsady

Avy amin'i Wikipedia
 Tsady
Tchad  Tsady
Tsady ((mg))
Tsady Chad (orthographic projection).svg
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Unité - Travail - Progrès
Teny ofisialy arabo sy frantsay,
Renivohitra N'Djamena
12°07′N 15°03′E / 12.117°N 15.050°E / 12.117; 15.050
[[tanàna lehibe|]] N'Djamena
Fitondrana sy governemanta
 -
conseil militaire de transition
Mahamat Idriss Déby Itno
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 21
1.284.000 km²
1,9
Isam-ponina
 - Tontaliny (2024)
 - hakitroka
faha 72
20.299.123 mpo.
15 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Tchadien, Tchadienne
Sandam-bola Franc CFA (Franc CFA)
Faritr'ora UTC +1
Hiram-pirenena La Tchadienne
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+235

I Tsady dia firenena ao Afrika Afovoany, ao amin' ny lemaka lehiben' ny farihy Tsady izao ao andrefany, izay tsy manana morontsiraka, manana velarana mirefy 1 284 000 km². I Ndjamena no renivohiny. Mamaritra azy ao avaratra i Libia, ao atsinanana i Sodàna, ao atsimo ny Repoblikan' i Afrika Afovoany ary ao andrefana i Kamerona sy i Nizeria ary i Nizera. Firenena anelanelan' i Afrika Avaratra sy Afrika atsimon' i Sahara i Tsady. Atao hoe Tsadiana ny vahoakan' ity firenena ity.

Ny tapany avaratra dia ahitana ny tangorom-bohitr i Tibesti ao amin' ny tany efitr' i Sahara. Ao atsinanana no misy ny lembalemban' i Ennedi sy ny lembalemban' i Ouadai. Maina any avaratra ary misy fiantraikany ihany koa ny faritr’ i Sahel ao afovoany ka mahasarotra ny fahazoana rano.

Ny mponin' i Tsady dia ahitana Peola, Tobo, Sara, Kirdy ary Arabo. Ny 50 %n’ ny mponina dia Miozolmana, ny 10 % Kristiana, fa ny 45 % kosa dia manaraka ny fivavahan-drazana afrikana animista.

Miompana amin' ny fiompiana sy ny fambolena ny toekaren' i Tsady, izay mandroso ihany noho ny fangadiana vovon-drano sy ny fampiasana firihan-drano amin' ny tanimboly. Manjono ihany koa ny Tsadiana. Tamin’ ny taona 2003 no nanombohana nitrandraka ny solitany ao amin’ ny faritr' i Doba ao atsimo.

Zanatany frantsay taloha i Tsady izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1960. Ny fiteny frantsay sy ny fiteny arabo no fiteny ôfisialy any.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe

Kôntinenta eto an-tany