close
Hankany amin'ny vontoatiny

Vorona

Avy amin'i Wikipedia
Image
Vorona isan-karazanay

Ny vorona dia zavamananaina ao amin' ny zana-pisampanan' ny Vertebrata (biby manana hazondamosina), izay mamorona ny kilasy Aves. Mafana ra sady manatody izy ireo. Rakotra volom-borona ny tenany sady manana rantsam-batana ambany roa sy elatra roa ary tsy misy nify. Misahana anjara asa telo ny volom-borona: ny fisidinana sy ny fifehezana ny mari-pana ary ny fisehoana. Poaka aty ny taolan' ny vorona ka izany no mampaivana ny lanjany. Mafana vatana izy ireo ka mampiasa hery betsaka. Noho izany dia mihinana sakafo be dia be izy ireo raha oharina amin' ny lanjany. Karazam-borona samihafa mihoatra ny 9 000 no efa fantatra.

Hita ao amin' ny kôntinenta rehetra eto amin' izao tontolo izao ny vorona. Afaka miaina amin' ny tontolo mangatsiaka ny karazam-borona samihafa, ary misy ny afaka miaina amin' ny toetany mafana. Hita any anaty ala, eny amin' ny kijana, eny amin' ny harambato, eny amin' ny moron-drenirano, eny amin' ny vato amoron-dranomasina, eny amin' ny tampon-tranon' olona ny vorona.

Image
Vorona

Mihinana sakafo isan-karazany ny vorona. Mihinan-kena ny ankamaroany. Maro ny mihinana bibikely na trondro. Mihinana karazam-bibilava na voalavo na koa karazam-borona hafa ny sasany. Misy koa ny vorona mihinana fatim-biby. Ny vorona toa ny boloky dia mihinana voamadinika sy voankazo.

Lisitry ny filaharana

[hanova | hanova ny fango]

Inty ny lisitry ny filaharan' ny vorona araka ny BioLib (26 Septambra 2020) sy araka ny fanasokajian' ny International Ornithological Congress (versiona 15.1, 2025)

Filaharana efa lany tamingana

[hanova | hanova ny fango]
  • Aberratiodontuiformes Enpu Gong, Lianhai Hou & Lixia Wang, 2004
  • Aepyornithiformes Newton, 1884
  • Alexornithiformes Brodkorb, 1976
  • Ambiortiformes Kuročkin, 1982
  • Apatornithiformes †
  • Archaeopterygiformes Lambrecht, 1933
  • Cathayornithiformes Zhou, Jin & Zhang, 1992
  • Chaoyangiaformes †
  • Confuciusornithiformes Hou & al., 1995
  • Dinornithiformes Gadow, 1893
  • Enantiornithiformes Chiappe, 1992
  • Eurolimnornithiformes Bock & Buhler, 1996
  • Gansuiformes Lianhai Hou & Zhicheng Liu, 1984
  • Gastornithiformes †
  • Gobipterygiformes Elzanowski, 1974
  • Hesperornithiformes Fürbringer, 1888
  • Iberomesornithiformes Sanz & Bonaparte, 1992
  • Ichthyornithiformes †
  • Lithornithiformes Houde, 1988
  • Palaeocursornithiformes Kessler & Jurčák, 1986
  • Patagopterygiformes Alvarenga & J.F. Bonaparte, 1992
  • Remiornithiformes Martin, 1992
  • Sandcoleiformes Houde & Olson, 1992
  • Sinornithiformes Sereno & Rao, 1992

Filaharana mbola velona

[hanova | hanova ny fango]

Ny filaharam-borona mbola velona dia ao amin' ny zana-kilasy Neornithes:

  • Accipitriformes Vieillot, 1816
  • Aegotheliformes Worthy et al., 2007
  • Anseriformes Wagler, 1831
  • Apodiformes Peters, 1940
  • Apterygiformes Haeckel, 1866
  • Bucerotiformes Fürbringer, 1888
  • Caprimulgiformes Ridgway, 1881
  • Cariamiformes Fürbringer, 1888
  • Casuariiformes Sclater, 1880
  • Cathartiformes Coues, 1884
  • Charadriiformes Huxley, 1867
  • Ciconiiformes Bonaparte, 1854
  • Coliiformes Murie, 1872
  • Columbiformes Latham, 1790
  • Coraciiformes Forbes, 1884
  • Cuculiformes Wagler, 1830
  • Eurypygiformes Hackett & al., 2008
  • Falconiformes Sharpe, 1874
  • Galliformes Temminck, 1820
  • Gaviiformes Wetmore & Miller, 1926
  • Gruiformes Bonaparte, 1854
  • Leptosomiformes Sharpe, 1991
  • Mesitornithiformes Wetmore, 1960
  • Musophagiformes Seebohm, 1890
  • Nyctibiiformes Yuri (d) et al., 2013
  • Opisthocomiformes L'Herminier, 1837
  • Otidiformes Wagler, 1830
  • Passeriformes Linnaeus, 1758
  • Pelecaniformes Sharpe, 1891
  • Phaethontiformes Sharpe, 1891
  • Phoenicopteriformes Fürbringer, 1888
  • Piciformes Meyer & Wolf, 1810
  • Podargiformes Matthews, 1918
  • Podicipediformes Fürbringer, 1888
  • Procellariiformes Fürbringer, 1888
  • Psittaciformes Wagler, 1830
  • Pteroclidiformes Huxley, 1868
  • Rheiformes Forbes, 1884
  • Sphenisciformes Sharpe, 1891
  • Steatornithiformes
  • Strigiformes Wagler, 1830
  • Struthioniformes Latham, 1790
  • Suliformes Reichenbach, 1849
  • Tinamiformes Huxley, 1872
  • Trogoniformes AOU, 1886

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]