Legioma

Ny legioma dia zavamaniry na ampahan-javamaniry azon' ny olombelona na ny biby hafa hanina amin' ny maha sakafo azy, avy amin' ny karazan-javamaniry fanao anana (karazana anana sy ahitra). Izany ampahan-javamaniry izany dia mety ho ny fakany (karaoty, betiravy mena), ny vodiny (ovy, vomanga), ny vatany na fotony (tongolo), ny tsimoka tanora (asiperiza, tsimoka volotsangana), ny sarin-tahony (tongoloherana), ny raviny (betiravy, seleria), ny vondron-draviny (salady), voniny (laisoa), ny voany tsy matoy (tsaramaso maitso, kôkômbra), ny voany matoy (voatabia, katsaka), ny voany lena na maina (voanjobory, tsaramaso maina, pitipoà, voankazo maina), sns.
Io famaritana io, izay ampiasain' ny ankamaroan' ny rakibolana dia azo itarina amin' ny holatra azo hanina, ny sasany amin' izy ireo dia ambolena (Agaricus bisporus, Lentinula edodes, sns.) ary amin' ny ahidrano sasany, izay mitombo indrindra ny fihinanana azy any Atsinanana Indrindra. Mbola ampiasaina matetika ny hevitr' io teny io tany am-boalohany ary anondroana ny ampahan-javamaniry azo hanina rehetra, anisan' izany ny voniny, ny voany, ny tahony, ny raviny, ny fakany, ary vihiny. Ampiharina amin' ny fomba miovaova, arakaraka ny fanao momba ny nahandro na ara-kolontsaina, ny famaritana hafa momba io teny io. Mety ho voailika ny sakafo azo avy amin' ny ampahan-javamaniry sasany izay voany, voniny, voa maina ary voamadinika, fa misy voan-javamaniry toy ny voatabia sy ny korzety, ny vonin-javamaniry toy ny brôkôly, ary ny vihy toy ny voamaina.
Tany am-boalohany dia nangonin' ny mpioty sy mpihaza tany amin' ny natiora sy nambolena tany amin' ny faritra maro eran' izao tontolo izao ny legioma, angamba teo anelanelan' ny taona 10 000 sy 7 000 tal JK, rehefa nivoatra ny fomba fiaina vaovao momba ny fambolena. Tamin' ny voalohany dia novolena ny zavamaniry velona eo an-toerana, nefa rehefa nandeha ny fotoana dia nampiditra zavamaniry mahazatra avy any an-kafa mba hanampy ny karazana efa folaka eo an-toerana ny raharaham-barotra. Amin' izao fotoana izao, ny ankamaroan' ny legioma dia ambolena eran' izao tontolo izao raha mety aminy ny toetany, ary azo ambolena amin' ny tontolo voaaro ao amin' ny toerana tsy tena sahaza ny vokatra. I Sina no mpamokatra legioma lehibe indrindra, ary ahafahan' ny mpanjifa mividy legioma nambolena any amin' ny firenena lavitra ny varotra maneran-tany amin' ny vokatry ny fambolena. Miovaova ny haavon' ny famokarana legioma - manomboka amin' ny tantsaha mamboly mba hamatsy ny filan' ny fianakaviany fotsiny amin' ny sakafo, mankany amin' ny orinasa mpanodina sakafo izay manana velaran-tany anaovana voly tokana. Miankina amin' ny karazana legioma voakasik' izany, ny fijinjana ny vokatra dia arahin' ny fanasokajiana ny habeny, ny fitehirizana, ny fanodinana ary ny fivarotana.
Ny legioma dia azo hanina manta na masaka ary mitana anjara toerana lehibe amin' ny sakafo mahavelona ny olona, satria ambany ny lipida sy ny gliosida ao anatiny, saingy be vitaminina sy mineraly ary tsiraka. Maro ny manam-pahaizana momba ny sakafo no mampirisika ny olona hihinana voankazo sy legioma betsaka, ampahany dimy na mihoatra isan' andro no aroso matetika.
Ny lanja ara-tsakafon' ny legioma
[hanova | hanova ny fango]Loharanon' otrikaina sy mineraly ary tsiraka ny ankamaroan' ny legioma, ary tsy misy tavy loatra. Amin' ny ankapobeny dia mitondra kalôria kely ho an' ny vatana ny fihinanana azy ireo. Ny legioma dia ilaina amin' ny fifandanjan' ny sakafo. Tsy mitovy ny lanja ara-tsakafo mahavelona entin' ny legioma maitso sy ny legioma maina (na voamaina); tena manome hery betsaka ireo farany ireo fa tsy toy ny legioma maitso.
Sokajin' ny legioma
[hanova | hanova ny fango]Miankina amin' ny taovan-javamaniry azo atao sakafo sy ny toetrany no anasokajiana ny legioma, ohatra: ny raviny, ny tahony, ny fakany, ny vodiny, fotony, ny voany lena, ny voany maina. Amin' ny fiteny andavanandro, ny legioma maitso (ravina, voankazo miloko maitso sy ny hatanorany) dia avahana amin' ny legioma maina (voamaina).
Legioma maina
[hanova | hanova ny fango]Ny legioma maina na voamaina dia ireo voa azo atao sakafo rehefa matoy. Mahatonga azy ireo ho azo tahirizina ela lavitry ny hamandoana ny tsy fahampian' ny rano ao aminy, manodidina ny 12 %. Anisan' ny legioma maina ny tsaramaso, ny tsiasisa, ny voanjobory ary ny kabaro. Tsy heverina ho anisan' ny legioma maina ny voanjo sy ny sôza kosa, izay voa be menaka.
Legioma maitso
[hanova | hanova ny fango]Azo sokajina araka ny taova atao sakafo ny legioma maitso.
Ny legioma ravina
[hanova | hanova ny fango]Ravin-javamaniry azo hanina ny legioma ravina na anana. Anisan' izany indrindra ireo fihinana manta toy ny salady, matetika ampiarahina amin' ny fanatsaran-tsiro sy hanitra noho ny fatsatsony sy ny ngidiny voajanahary; fa anisany koa ny laisoa sy ny epinara ary ny seleria, ny tongolobe, ny anana trôpikaly isan-karazany.
Ampiasaina ho fanatsarana ny tsiro sy ny fofon-tsakafo ny ahitra manitra. Tsy tena azo lazaina ho legioma anefa izy ireo, anisan' izany ny bazilika, ny serfey, ny persily ary ny solila.
Ny legioma taho
[hanova | hanova ny fango]Ny legioma taho no legioma izay hanina ny ampahany amin' ny tahony na ny zanany mitsimoka amin' ny asiperza, ny solofom-bolo na ny vodi-tongolo izay matetika ampiasaina ho fanatsaran-tsakafo toy ny tongolo gasy sy ny tongolobe.
Ny legioma voniny
[hanova | hanova ny fango]Amin' ny legioma voniny dia ny tamba-bony na ny vonin' ny zavamaniry no atao sakafo, anisan' izany ny soflera, ny kapra, na ny artisô.
Ny legioma voany
[hanova | hanova ny fango]Hanina toy ny anana ny legioma voany, izay voa na taova mitondra voa, ka anisan' izany ny zavamaniry toy ny baranjely, ny zavôka, ny kôkômbra, ny korzety, ny voatavo, ny taboara, ny voatango, ny ôliva, ny voazavo, ny dipoavatra, ny sakay, ny voatabia, ny tsaramaso maitso, sns.
Ny legioma fakany sy vodiny
[hanova | hanova ny fango]Ny legioma fakany dia ny betiravy, ny karaoty ny anambe (na nave), ny rady (na radisa), sns. Vokatry ny fihangezan' ny ampahany milevina anaty tany ny vodiny. Miavaka izy ireo amin' ny fisian' ny tahirin-gliosida ao aminy, toy ny bodoa, ny tapetaka, ny vomanga ary ny ovy.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Legioma faka
- Legioma maina na voamaina
- Legioma maitso
- Legioma ravina na anana
- Legioma taho
- Legioma voa
- Legioma vony
- Listry ny legioma sasantsasany: anamalaho - anambe (na nave) - ananambo - anantsonga - artisô - asiperza - baranjely - bazilika - betiravy - bodoa - dipoavatra - epinara - kabaro - kapra - karaoty - kôkômbra - korzety - laisoa - ôliva - ovy - persily - radia - (na radisa) - ravim-boatavo - ravim-bomanga - ravintoto - ravin-tsaonjo - sakay - sakaibe - salady - seleria - serfey - soflera - solila - sôza - taboara - tapetaka - tongolo - tongologasy - tongolobe - tongoloherana - tongolomadinika - tsaramaso - tsaramaso maitso - tsiasisa - voanjo - voanjobory - voatabia - voatavo
- Lisitry ny hazo fihinam-boa eto Madagasikara